Taranjam-pitia (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARANJAM-PITIA

Tsy hoe maditra aho
Raha minia mitia an-dry
Fa te mba ho Mpampianatra
Mpampianatra fitia

Tsy tia tena koa
Raha nanambara izany
Fa hery tsy voatana
Tangena te ho mamy

Tsy haingotenin’ny poëta
Izay voalazako rehetra
Fa epistily ho anao
Tsangam-bato mitoetra

Tsy misy teny mamy
Mihoatra noho izao
Manambara ny ao am-po
Madio tsisy pentina

Ka tsy hoe maditra aho
Raha minia mitia an-dry
Fa te mba ho Mpampianatra
Taranjan’ny fitia

“Dia ianao no Mpampianatra? f’izaho lay Mpianatra maditra”

R. JO 09/11/04 Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1078 3
Hevitra mandeha
mampikanto ( 10/11/2004 07:24)
Ka tsy ho lasa hoe : ramose tatanta dia mistyle v no ihafarany sa ahoana?!!!?
Malalason ( 10/11/2004 11:45)
ka zà ngeh no ampianarina e! @zay mbô lasa mpampianatra koa! he he he
NyKanto ( 10/11/2004 18:37)
he he he ... aleo mianatra hatrany toy izay miana-kendry nefa tsy mahay akory sa ahoana ? ... aza dia maniry ho mpampianatra , indrindra amin'io taranja io ...
nyeja ( 11/11/2004 06:45)
he he he ampianaro fitia ihany fa ilay efa voan'ny tarajatsyfitia koa anie mafy e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107