Tano ny azo fa sarotra ny mila (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tano ny azo fa sarotra ny mila
Izany ilay fomba fiteny hatrizay
Karakarao, aza avela ho may na ho kila
An'olon-droa io fa tsy an'olona iray

Mifanantona dia miresaha tsara
Teneno ary ambarao izay tsy zaka
Avoahy daholo aza maramara
Avelao izy no hamakafaka

Tsy tiako ianao, halako, mandehana mandeha.
Voateny daholo ny rehetra
Tsy tadidinao angaha fa efa voatombo-kase
Ka hoe aina no fetra

Ny tiana hambara dia izao
Ny fiarahana tsy mba ilaozan'ady
Mifandefera raha mbola azo atao
Aoka hifanohana fa izay no maha mpivady

Mpanoratra: RAKOTOMANANA Christian Gabriel
Daty: 02/07/2020
--------
Rohy:
973 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109