Tiako be i mama (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako be i mama

Tiako be i mama
Mamy ny eo anilanao
Izay misy anao mahatamana
Ka sarotra rehefa mifandao

Voatambitamby, notoloranao fitiavana
Voakolokolo, nofenoinao anatra
Ianao no antsoiko hoe fahasoavana
Mpiandry nomen'ny lanitra

Tiako anie izany ka tiako e
Tsy misy toa anao eto an-tany
Ianao no fifaliako
Ka mahatsiaro anao hatrany, any lavitra any

Fihina tsara eo @tratra
Arahana ba mamy dia mamy
No hiarahabako anao nahatratra
Ity andro androany

Misaotra indrindra @ rehetra
Izay nataonao taminay
Ny fitaizana, fahalalana, toetra
Mipetraka mandrakizay

Tsy ho voavaly fa be loatra
Ireo soa sy ady nataonao
Hatr@ nanapahana ny tadi-poatra
Ka hatr@ izao fotoana izao

Andriamanitra anie no hitahy
Hanome fifaliana sy fiadanana ho anao
Izay ambiny kosa ny ahy
Hanao ihany koa izay mba azoko atao

Ho ela velona anie i mama
Dia hanana fiadanam-po
Tsy misy afa tsy izany ny ahy ny faniriana
Tompo o, aoka izany mba ho toa


RAKOTOMANANA Christian Gabriel

(Frantsa ny 07 Jona 2020)
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fitiavana - Fety
718 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102