Afom-Pitia (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Miredareda mafy ao am-po
 Ny faniriko hiaona aminao indray andro
 Koa ny maraina aho, raha vao mifoha
 Dia ny manembona anao no ataoko isan’andro

 Toa mahery vaika manenika ahy
 Ilay afom-pitia izay mitoetra
 Ny olana rehetra nanjary tsy tsiahy
 Rehefa lasanao ny momba ahy rehetra

 Na ny Ony aza hoy ny baiboly
 Dia tsy mahavono ny afom-pitiavana
 Ary niezaka aho mba nikolokolo
 Mba hijoroan’ilay tena fitiavana

 Tsapako tokoa aloha
 Fa vao maika niorina
 Ilay fitiavantsika roa
 Na be aza ireo olana

 Ilay afom-pitiavana moa
 Dia tsy maty vonoina tokoa
 Mafana, mandoro, mangotraka be
 Tsy mahafaty azy ny Renirano mandeha

 Indrisy nefa ry afom-pitiavako
 Fa lefy ihany ianao hoy ny fitiavako
 Ilay nandrehitra anao ihany no nahay
 Koa nahafoana azy mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
974 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111