Ilay Fahazavako (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tao anatin’ny haizim-pito aho
No sendra nahita hazavana
Fahazavana feno mamirapiratra
Efa jambena aho koa indro indray nahiratra

Fotoana maro Gadrain’ny fitia
Ny fo sarona, voafehy, voafonjam-by
Koa saika sasatra, sy reraka aho
Soa ihany anefa fa nahita anao

Ry ilay fahazavako rahatrizay
Efa avy nisedra aho koa mahay,
Mahafantatra tsara ny fitempon’ny foko
Dia ianao ilay fahazavana izay nisentoko

Toa sambatra sahady ny tontolom-piainako
Nisava aokizany ihany koa ireo tarainako
Fa nahita hazavana tsy hay ambara
Inoiko fa ianao ilay tena ho anjara

Ry ilay ho anjarako
Feno anao ny fiainako
Enganie mba ho tanteraka
Ireo tandidon’ilay Peratra.

Iriko mba tsy ho nofy intsony
Ilay fahasambaran’ny foko
Koa tsy hitsahatra hitony
Ilay hazavana tsy foiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
723 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101