Ilay Fitia tena izy - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Henjehina ho vonoina
Ilay fitiavana niorina
Ady no antsoina
Fa ny tia manao sorona
Tsy voasakan’iza n’iza
Raha marina ny fitiavana
Tsy misy fetra hoe hatraiza
Na hamoizana ireo havana
Halaviran-tany ve ?
Sedram-pitia ihany izany
Ka ny tia manao hoe :
Ny tiako ho tiako hatrany
Tsy fitovian-tsaranga
Maha lalim-paka ny fitia
Ka n’inon’inona mitranga
Dia tsy ho rava sanatria
Tsy maha foana azy
Na mbola sedra sesilany
Fa ilay fitia tena izy
Tsy misy miala na tomany.
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : Lucienne
Daty : 24/05/2019
Mpamangy : 1283
Mankafy : 13
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Mahay Mitia
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Tena tia tokoa ve?
Ilay bika aman'endrikao