Ilay Fitia tena izy (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Henjehina ho vonoina
 Ilay fitiavana niorina
 Ady no antsoina
 Fa ny tia manao sorona

 Tsy voasakan’iza n’iza
 Raha marina ny fitiavana
 Tsy misy fetra hoe hatraiza
 Na hamoizana ireo havana

 Halaviran-tany ve ?
 Sedram-pitia ihany izany
 Ka ny tia manao hoe :
 Ny tiako ho tiako hatrany

 Tsy fitovian-tsaranga
 Maha lalim-paka ny fitia
 Ka n’inon’inona mitranga
 Dia tsy ho rava sanatria

 Tsy maha foana azy
 Na mbola sedra sesilany
 Fa ilay fitia tena izy
 Tsy misy miala na tomany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1895 13
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132