Ilay Tantaran-tsika roa - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Voasoratra ho tantara
Ilay fitiavana taloha
Izay tsy hadino ka tsy miala
Fa tafalatsaka ao am-po
Asa raha tsaroanao
Fony isika niara-dia
Dia toa tsy hifandao
Fa tena nifankatia
Raha mihaona vao maraina
Dia tarihina ny tafatafa
Ireo azo ambara tanisaina
Koa tsy mba nisy nihafahafa
Nahoana kosa re ?
No toa rava vetivety
Sa kosa ny fonao ve ?
No nidrikina tsy nety
Ity foko mbola tia
Dia nilaozanao sahady
Ka foana ilay fitia
Na tsy nisy akory ny ady
Any andro iray
Mety hihaonantsika roa
Dia amin’izay fotoana izay
Ilay tantara vao mifoha
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Nampiditra : tiahservice
Daty : 25/06/2019
Mpamangy : 1019
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
VELOMA MBOLA IHAONANY TENA NAMANA
HO AN'I DADA
TOA TSY SAHY AHO
MINO AHO
HO AN-JANAKO
TAO ANATY ONJA
NAMAKO IREO
IZA HOY IANAO NO DISO?
HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY?