IZA HOY IANAO NO DISO? - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Azo vakiana?
Iza hoy ianao no diso ?
Raha niray isika roa
Nifanaiky niara-niaiky
Nifankatia nifanao soa
Iza hoy ianao no diso ?
Raha nahery ilay Fitia
Izay nanambatra ho vato
Nanamafy koa ho Vy
Iza hoy ianao no diso ?
Raha nipoitra ireo olana
Nanalemy nanakivy
Nahatsapana ny mangidy
Iza hoy ianao no diso ?
Raha nanomboka solafaka
Ilay fitiavana nafana
Toa Fitia noraràna
Iza hoy ianao no diso ?
Raha niezaka aho niaro
Ilay akany kelintsika
Akany kely nangatsika
Iza hoy ianao no diso ?
Raha toa nidiran’olon-kafa
Ny fiainan-tokatranon-tsika
Niharihary lasa hita
Iza hoy ianao no diso ?
Raha toa ka maty ilay Fitia
Iza hoy ianao no diso ?
Raha toa nitsonika ilay Vy
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Nampiditra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Daty : 07/09/2022
Mpamangy : 165
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
VELOMA MBOLA IHAONANY TENA NAMANA
HO AN'I DADA
TOA TSY SAHY AHO
MINO AHO
HO AN-JANAKO
TAO ANATY ONJA
NAMAKO IREO
HO AN'IZA HOY IANAO NY TSINY?
MIVERENA!