Mahay Mitia - RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà
Ry ilay nirin’ny foko
Toa sadaikatra aho ny hitia
Nefa toa tsy ho foiko
Ny tsy ho eo anilanao akia
Toa misalasala aho ny hiteny
Sy hanambara ilay fitia
Noho ireny fihetsikao ireny
Moa ve mahay mitia ?
o Mbola Nofy aloha hatreto
o Ny fahasambarantsika roa
o Ny hoavintsika mbola sento
o Mbola vinavina aloha
o Iriko anie ry tiana
o Ilay faniriako ho anao
o Mba tsy ho ary vinavina
o Fa efa fiainana atao
Fotoana maro nihafiana
Ity foko nidradradradra
Taona maro aty aoriana
Moa ho afaka ilay gadra ?
Enga anie ry ilay fitiavako
Mba hitsahatra amin’izay
Ireo sedra mafy niaretako
Hiova fifaliana ho ahy !
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà

Nampiditra : rasoanantenaina.rosia
Daty : 19/08/2019
Mpamangy : 395
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
MIVERENA!ILAY FOTOANANTSIKA
FITIA VOAHOSIM-POTAKA
Ilay Fahazavako
Afom-Pitia
Ilay Tantaran-tsika roa
Tena Tiako Ianao
Ilay Fitia tena izy
Tena tia tokoa ve?
Ilay bika aman'endrikao