Tena tia tokoa ve? (RAKOTONJANAHARY Tojosoa Ejicà)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
 Takariva maizim-bolana
 No nihaonan-tsika roa
 Voalaza fa tsy misy ny olana
 Raha isika no hiara-droa

 Fotoana fohy taty aoriana
 Indreto isika niara-dia
 Tsy nisy zavatra nahiana
 Koa lasa mpifankatia

 Nitohy hatrany hatrany
 Izany fiarahan-tsika izany
 Zay aho vao nahatsapa
 Fa nisy zavatra hafahafa

 Lasalasa saina ihany aho
 Rehefa nandinika ny momba anao
 Koa nanontany tena hoe :
 Tena tia tokoa ve ?

 Sarotra amiko ny hanazava
 Ny fanahiana ato anatiko
 Ny faniriko mba hisava
 Ny amin-tsika izay tsy tantiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1635 12
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141