Ilay fitiavako anao (RAMANANTSOA Ricardo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ILAY FITIAVAKO ANAO

Tsy maninona tsy akory
Raha izay no sitrakao
Dia ny hampijaly sy hampahory
Ity olo-mitalaho.


Mba miangavy fiantrana
Sy mitalaho fitiavana
Ka mamoa midanadana
Izato fo izay mila havana.


Nefa indrisy fa natsipy
Toa tsipolitra nanaraka
Izay nohongotana mihintsy
Dia nariana, tafasaraka.


Na izany aza anefa
No hany mba vitanao
Dia tsy mba hiofo tsy ho lefy
Ilay fitiavako anao.


Fa vao mainka miamafy
Sy tsy miova tsy ho lao
Ilay fitiavako anao.


RAMANANTSOA Ricardo
--------
Rohy:
2928 1
Mpakafy: ricardo
Hevitra mandeha
annmash ( 31/12/2004 14:31)
aza kivy ri'se ah,
tiavo fona izy ary tsarovy fa mety ho tia ihany ary vokatrin-ifo anefa no itiavany anao @ zay,
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardo
Daty : 29/11/2004 20:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146