NOFINOFY - RAMANANTSOA Ricardo
Azo vakiana?
Izaho ihany ity,Izaho hatramin'izay
Tsy mbola niova fa ilay bado mbola tsy mahay
Izaho ihany ity;Izaho tsy namboarimboarina
Fa ilay olo-resy hatrany tsy navela ho tafarina
Izaho ihany ity;Izaho ilay noharatraina
Tsy navela mba hahita izay hazavan'ny maraina
Izaho ihany ity;Izaho ilay nambakaina
Izaho ilay nariana tany an-tany karakaina
Mbolaadala foana atrany
Ka nohosena sesilany
Tsy noheverina ho olona
Nampijaliana mba ho sorona
Mino aho nefa indray andro any
Fa ireo nambakaina hatrany hatrany
Dia hangina tsy hitomany
Ka @izay fotoana izay
Ireo bado tahaka anay
Dia anambaka ireo mahay
Nefa indrisy nofy ihany
Izany rehetra rehetra izany
Satria maro be aoka izany
Ireo mpanambaka eto an-tany
Mombamomba
Mpanoratra : RAMANANTSOA Ricardo
Nampiditra : ricardoDaty : 27/08/2005
Mpamangy : 1557
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
IANAOResy
TIAKO LOATRA IANAO
Adim-piainana
Ventsom-paniriana
Tsy natao
Ilay fitiavako anao
Rahoviana
Fahantrana
Raha azo atao