You are here: home > Vetso

AZA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Aza mbola tiavina iny zanak'olona iny
raha toa ianao tsy tia fa anadala fotsiny
ny nofony matory mba avelao ho virjiny
f'aza dia simbaina re ny saina sy ny nofony
.
Avelao ny hafa izay tena tia azy
no higoka ny hatsàrany izay feno hamamiana
f'aza ianao mpanimba tsy akory haka vady
no hisotro ilay tantelim-pahadiovan-olon-tiana
.
Aza mbola tiavina re fa mampalahelo
ny mitanjo bararata tsy misy mamy intsony
avelao ny sainy sy ny fony mba hampamelovelo
ny hasim-pahadiovany eo anatrehan'ny ao ambony
.
Nefa raha toa ianao ka tia fa tsy fotsiny anadala
dia izao no mba hafatra avy amin'ahy mpanoratra
tiavo mandrapahafaty ilay tiana izay malala
dia fatory soa ny tady f'aza avela hivoraka

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha