You are here: home > Vetso

MAHAGAGA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Mahagaga fa eto anilako
misy olona tia ahy
sady manana fanahy
nefa tsy rarahiako
.
Mihitsy te ho silako
sy manaiky ho vadiako
fa ny ahy ny tena mamy
dia izay tsy tia ahy ihany
.
Izay no hiriako ho malala
na dia aza mankahala
mahagaga ity foko ity
fa tsy mahalala tia
.
Toy ilay voninkazo
izay efa tena babo
ny tany karakaina
nefa tsy misaina

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha