You are here: home > Vetso

RAHA MAMORY VAHOAKA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Raha mamory vahoaka ny tia Gasikara
dia tonga manotrona ao koa ny mapara
tsy tonga hifidy na andatsa-bato
fa tonga hijery an'ireo mpanakanto
.
Raha mamory vahoaka ny voromahery
dia tonga ao manotrona tia zandry kely
Tsy tonga hifidy tahak'ireo bado
fa tonga angataka vola sy akanjo
.
Raha mamory vahoaka ny antoko mapara
dia izao no tsarovy ry hava-malala
tsy izay rehetra mivolom-boasary
dia hoe vahoakan'ny fito febroary

Sokajy : Politika

Hametraka hevitra

Midira aloha