You are here: home > Vetso

VAVAKA - SANTATRA RAFENOMANANTSOA

Azo vakiana?

Andriamanitra ooo
foano daholo daholo
'reto harena eto an-tanako
mba ahafahako misambatra
rehefa mby ny andro farany
ahatongavanao ety
.
Mantsy aleoko malahelo
dia mandova iry lanitra
toy izay hanefoefo
nefa very ny fanahy
ka miangavy aho ry ray
.
Foano tsy mba hisy akory
ny fananako fanjaitra
ny fananako ambim-bava
fa ny teninao dia ampy
amokisako ny tenako
.
Andriamanitra ooo
tsapao tena tsapao aho
hoe hatraiza ny fitiavako
ka 'zay rehetra farany mafy
dia afafazo aty daholo
.
Eny na dia fahafatesana aza
fa ny ahy ny hasambarako
dia ny maty ao aminao

Sokajy : Fiderana

Hametraka hevitra

Midira aloha