Nitia aho... (RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitia aho

efa ela aho no mba nanairy anao
kanefa toa tsy norarahianao
diso fiantefa angamba ity foko
manjary miaritra sento sy toloko

efa ela aho no naniry
raha mba ho tafiaraka isika
niezaka ihany aho nikiry
tsy anjara angamaba ny antsika

nitia aho, nitia anao
mba maniry ny ho tantananao
niandry ihany aho ela ihany
hay efa nisy hafa nitampify!

tsy sahy aho ny nilaza
tsy sahy aho ny hanambara
ka ny azoko atao
naverimberiko aok'izany:
dia mbola" tiako foana" ianao
fitia voarara ihany angamba izany

nitia aho...
fa tsy nitia olona tahaka anao
tsy haiko izay hamabaranao
fa mety mbola hiaraka ihany
IZAHO & IANAO

nieritreritra aho tato aoriana
kanefa tsy navela hangina
ity fitiavako diso tafahoatra
ity foko toa miha mitroatra
milaza isan'andro hoe:
toa vao miha ianao:
TIAKO BE

efa ela taty aoriana
ity foko tsy mety mangina
lasa nozaraiko tsy satry
tamin'olon-kafa mihitsy
kanefa he indrisy!


ho anao irery ihany angamba
ity fitiavako tsotra nefa matotra
nolaviny daholo ireo izay mitady haka
ny anjaranao tsy ho very
fa mbola ao anatiko irery

volana taty aoriana anefa
toa tanteraka ny nofinofiko
nilaza ianao fa ti ahy
izaho indray ve moa no handa?
efa ela ihany izay
nitiavako anao, niandrasako anao
ka matoky aho amin'izao sisa izao
fa ho eo anilako eo foana ianao

nitia aho, nitia anao
zary toa lasa ambetin-teny
indraindray ary toa tsianjery
rehefa iny hao manirery
tsy te hieritreritra hafa hao
fa ny fantatro dia izaho
ianao dia ho ahy irery
ary ho ahy samirery

NOSORATAKO ny 17/02/05
T@ 22:53 mn
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Alahelo - FITIAVANA
1958 2
Hevitra mandeha
tsikikely ( 23/02/2005 13:07)
Nahafinaritra ahy ny namaky ny vetsonao dia noho izany nomeko isa dimy ianao, rahoviana indray ny manaraka no hivoaka.
Andriantsa ( 05/11/2005 09:57)
Tsara be ilay tononkalonao fa ny hany soson-kevitro dia tsara raha iangaliana kokoa ny tsipelina amin'izay tena tsara ny asa soratrao. Mankasitraka anao
Andriantsa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAMAROVELO Mialiseheno Nantenaina na i KALAMY
Nampiditra : kalamy
Daty : 18/02/2005 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01