"Hitoetra" (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ihany re aho fa tsy hiova fonenana
Tsy hitady any an-kafa na oviana na oviana Hitoetra eto mbamin'ny famerenana
Ny lasa toa mamy 'zay tsy mba zoviana
....
Io ilay tranoko tsidiho isan'andro
'Zay mivoha varavarana vonona handray
Fa mandrapilentik'irony masoandro
Am-baravaran-kely no fiandrasanay
....
Tena mora hita ity tranonay
Tazanin-davitra hita mihary
Fa mora zahana ny tanananay
Raha tazonina eny an-tanimbary
....
Hitoetra eto aho fa tsy hiova lasy
Na ndeha ho hakivin'ny lala-mideza
Fa ity tanana toa mangasihasy
Nohozonin-kianjera fa mbola mateza
....
Hitoetra eto aho miandry anao
Mbetika hijery ao an-tokontany
K'aza hadinoina 'zao teniko izao
Izaho tsy handao f'hitoetra eto ihany
....
Ezahiko ho faly ny foko ho tony
Hiaina lavitra ny fahoriana
Hiaina lavitra ny lonilony
Handositra lavitra ny fijaliana
....
Fetraniaina
--------
Rohy:
1789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101