''Ny poeta'' (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
''Ny poeta''
Gaga talanjona ireo manodidina
Ny sain'ny poeta toa maniditsidina
Mamorona tontolo ho azy tsy hitan'ny hafa
Tsy mety voafafa
Eny,ao ry zareo no mitafa...
Mamoron-dresaka tsy mety vita
Ny hiafarany tsy hita
Mandany fotoana maharitra
Mifofo mafy, mijoro sy miaritra
Tsy mba mitsahatra fa dia manoratra
Ary toa zary mihanika tohatra
Ho any amin'ny ainga mampisy ny rindra
D'ireny hakanton'ny asany indrindra
Toa mpirediredy tsy mba misy saina
Kanefa ry namana fantatry ny aina
Fa ireo poeta dia tena ilaina
Satria mpananatra tena andrandraina
Sy mpanoro lalana ho any amin'ny tsara
Olon'ny fo sy mpitsinjo ny afara
Mpandinika hendry na andro na lalina
Ny hevitra omeny mifono hevi-dalina
Naman'ny voaary
Fa tsy mba manary
Havany tokana 'zay tia misangy
Sy olona soa mazoto mamangy
Apinga mahery mpiantsoroka adidy
Ny poeta havako tsy mba voavidy
F'ireny poeta mpitily mendrika
Mpitari-dalana ankasitrahana
Manampy ny hafa mba tsy ho rendrika
Handresy amin'ny tolon'ny fahafahana
--------
Rohy:
1409 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016