''Ry zavavy'' (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
''Ry zavavy''
Dia mananatra aho tsy reraka
Ry zavavy maika hiteraka
Izato ianao ho aiza sahady
no dia maika hanambady?
...
Sa dia efa matim-bola
Tsy mijery loha sola?
Mandiniha tena tsara
hitsinjovanao ny afara
...
Sao sodokan'ilay endriny
Tsy mahalala ny kinendriny
Ny vatanao anie no tiany
Izany ihany no iriany
...
Sao dia babon'ny harenany
Nefa ianao dia tonga henany
Hanamparany filàna
Ka tambaziny ho tamana
...
Ireny anatra ireny
Dia fitiavan-dRay sy Reny
Koa araho izao dia izao
Fa fitsinjovany anao
...
Aza maika ny hisabaka
Fa dia tena ho lalim-paka
Ireo neninao raha toa
Tsy sorohanao tokoa
...
Fa ny manambady namana
tsy mba vitan'ny fananana
Maro anie ny be harena
Fa mifampitenatena
...
Tsy mba vitsy no efa ao
F'Isan'andro lava izao
Dia taraina sesi-lany
Ary nenina,tomany
...
Tahaka izay tsy nanambady
F'isan'andro izao dia ady
Na ny zanako aza moa
Dia efa leo mihitsy koa
...
Any ianao vao tonga saina
Ary koa hiferin'aina
Nefa inona intsony?
Fahoriana tsy omby gony
...
06/12/17
Fetraniaina
--------
Rohy:
1420 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095