''Tiako ianao'' (Ramiadanarivo fetraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba haiko hoe nahoana
Fa t'anatin'ny fotoana
Izay toa lava nefa fohy
'Zany masoko nanjohy
...
Tena tsy aritro ny tavany
Tiako orohana ny vavany
Ho tohofako ny molony
Ho fofoniko ny molony
Rehefa izaho mamihina azy
...
Te hirafitra ho fananany
Te handray an'iny tanany
Te hitoetra eo anilany
Ary koa ho tonga silany
Ho tolorany fitiavana
...
Te hirafitra ho nofiny
Hankafy ny rotsirotsiny
Te hitambatra ho tantarany
Ho loharanon'ny hasambarany
Ary hiankinany,hifaharany
...
Te handrakotra ny fiainany
Ka handresy ny tarainany
Ho mpamoha ny hafaliany
Ary ho lasa olon-tiany
Hany tokana tsy foiny
...
Te ho silan'ny fanahiny
Mba handresy ny ahiahiny
Ho olon-tokana izay maminy
Azy irery tsy ampindraminy
Ho lohatenin'ilay diariny
...
Tena tsy andriko intsony
Ny hanolorany ny fony
Hanohizako ny dia
Rehefa izahay hifankatia
Ary hiaraka hamindra
...
Te ho rima 'zay hirainy
'Kanto loatra,andrandrainy
Ho tinendriny isan'andro
Raha miposaka masoandro
Eny iriako ho lavareny
04/10/17
Fetraniaina
--------
Rohy:
5166 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01