You are here: home > Vetso

Hifonako - ranaivoharijaona rado liantsoa

Azo vakiana?

Hifonako malala
raha tsy afaka aho mamaly
ny taratasi-ndry
no sady tsy afaka mankany
tsy nanadino sanatria
f'indrisy ny hoenti-manana
hividianana ny hajia
sy izay mety ho saran-dalana
no tsy eto am-pelatanana

Mba satry aky malala
hiaraka hidola
satry hatoritory
ery am-batandry
malandy sy bakora
fa tsisy aky ny vola
hany ka mahalana
vao afaka mankany

Omaly ary izao
'lay foko efa mba dedaka
fahoe hahita-ndry
no indro mitomany
fa lasan'ny mpanendaka
teny analakely
ilay efajato ariary
mba saika sarandalana
hiondranana mankany

Nefa aky malala
manĂ na indry finoana
ary aza mitomany
fa raha mantsy lafo ihany
lay kitroko efa sola
fitondrako midola
namidiko aninkeheo
tonga aho dia hisidina
HO ANY AMINAREO

Sokajy : FITIAVANA

Hevitra mandeha

andreasr (25/10/2007 10:50:02)

tsara be ilay tonokalo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ranaivoharijaona rado liantsoa

Nampiditra : proost
Daty : 15/07/2005
Mpamangy : 787
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

manga
manga
TIA
IANAO
LASA
Dify
Misy
Ry alina
Aleo
Sarotra