Manantena (RANAIVOMANANA M Jean Félix)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANANTENA
Taona maro 'zay no lasa;
toa fahatrana no manjaka
tsy hita mihintsy ny mangirana
fa vao mainka mihasahirana

Maro anefa ireo harena
eto amin'ny firenena
no voatrandraka ka manangatra
Mahatonga antsika tsy hisandratra

Soa fa nisy ny mpitondra
mba hanenjika ireo mpandroba
Soa fa vitsy ny tia TENA
'zay mpanabotry firenena


Izao no tsara tadidio
Antenao ka angataho
ANDRIAMANITRA tsy handa
fa hanolotra ho anao
GASIKARA VAOVAO
Raha miova izaho sy ianao
Dia eto ilay EDENA VAOVAO .
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1823 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhix
Daty : 14/01/2005 17:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101