nahoana (RANAIVOMANANA M Jean Félix)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no tsy hilatsaka ny ranomaso;
Raha toa ka ilay masoandro nibalika
No nilentika tsy ho hita any ambadiky ny rahona !

Nahoana no tsy ho velon-tseto
raha tojo fisarahana amin'ny tapaka sy namana;
Tsy hahita azy intsony
Satria izy efa natory tsy hiverina intsony !

Nahoana no tsy hiantso mafy raha sendra fahavalo.
Mila haningotra ny aina tsy hivelona intsony;
Ka hatelinao ry fasana ;ho any ambany rangolahy.
--------
Rohy:
Sokajy : fanantenana
1770 1
Hevitra mandeha
vetsoko ( 15/02/2005 12:06)
nahoana tokoa moa !
mandinika ( 16/02/2005 16:04)
indrindra rehefa aty lavitra aty no maheno fa lasa tsy hiverina intsony izy
tia2005 ( 04/08/2005 14:22)
mamaky fo izy izany! nahoana?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhix
Daty : 14/02/2005 16:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115