naleonao - RANAIVOMANANA M Jean Félix
Azo vakiana?
Ny tananao no niaro ahy
sy nitantana ahy ka dia niaradia
ho tena mpifankatia
Mandresy fahoriana ny akaikinao ry tiana
Nandrotsirotsy ahy ny feonao miteny
Ny masonao mibanjina no zary tsianjery
Ny nifinao nitsiky no misy teny mihery
Ny fidoboky ny foko dia ho anao irery
vao nitsingerina ny taona dia io ianao tsy tia
Tsy navelanao akory ,ny hiresaka aminao
Naleonao nandao tsy hifanojo lalana amiko
Naleonao tsy nihaino 'zato foko mbola tia
Ny foko ve no adala ka te hiresaka aminao
sa izany rehefa tia tsy manaiky ny ho rava
Eny naleonao niteny teny hafahafa kely
mba hilazana ny ao am-po fa tsy tia tokoa
Hevitra mandeha
nahrindra (11/02/2005 14:23:42)
mampihetsi-po ilay tonokalo, tsy d hilaza inona fa fampaherezana be satria mbola tsy lalim-paka iny matoa rava teo fa any ho any, amin'ny ora tsy hampoizina hisy masoandro hafa indray, hanazava ilay maloka teo.
tia2005 (04/08/2005 12:26:31)
Mombamomba
Mpanoratra : RANAIVOMANANA M Jean Félix
Nampiditra : ralhixDaty : 09/02/2005
Mpamangy : 1561
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
ManantenaSento sisa
indrisy
Manantena
tsy sahy
niandry
leo
nahoana
diavolana