adidy! (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midona ny ariva amin'ny enina ora marina,
Izaho ity mbola tafandry matahotra ny hiarina,
Anio tontolo teto no nananteran-kanina,
Niady saina irery nanao ny adisanina .
Namisavisa lalina ny fiainam-pirenena,
Nanao ny fampitahan'ireo z'efa nekena,
Nametraham-pitokisana ho amin'ny fanavontana,
ireo mahantra analinkisa tsy mba misy hisarangotana .
Ka asa ihany lahy ny amin'ito fampitaha,
na mba tena ho sahy na mbola hiahiahy,
Ireo tsimbotry mantsy tsy mila ambanambana,
tsy mila teny maro tsony tsy mila sasa vandana.
Izay lasa teto zay de kabary tsy namokatra,
Kanefa dia voalaza ho fireneana efa misokatra,
Nitantarana abobo nampandrandraina vaovao,
Dia indro koa ny gasy fa roboka nanao .
Voavelany ny fandriny de nijabaka ny haza,
Avy eo ny fiainam-pirenena no nataony resa-jaza,
Ary fanangonan-karena tsy hita nonoa,
No naharevo zay nitondra atao ahoana anefa moa ?
Ny fangejana isan-tokony moa dia efa nahazatra,
Ny fahaverezan-jo tsy noheverina ho ratra .
Ny mibahana ao an-tsaina de ny hohanina isanandro,
Ny ketrika am-bilany ny maraina sy ny atoandro .
Ny amin'zany rehetra izany no nijanonako am-pandrina,
Nandefa izany vetso mba ho revo sy sondriana,
F'hatrizay de efa niafy ka mba mila maka bahana,
Ho fihomanana amin'ny ho avy sy ny tena fahafahana .
Tsy nandeha nifidy aho fa niandry ny ariva,
Niandry hakora lava ny hikan'ny antsiva,
Hamoha ny torimasoko ndeha hamonjy fanisana,
Handray ny kajikajy sy ny andraikitra nialana .
Adidy hono mantsy ny manao ny fifidianana,
Tsy diso izany anefa raha nisy fivilianana,
Nataon'ireo voafidy de ireo zay nofinidy,
Omen-tsiny ve ny foko raha toa izao ka mihidy ?
Imbetsaka aho resy satria de nofitahana,
Ny basy nofahanako no indro nandripahana,
Ny havako ny namako sy izay rehetra tazako,
Ankehitrio aho efa leo ka izay no tsy hamafazako .
Aleo aho ho mpitazana hijoro ho mpitsara,
Hanome ny atontanisa sy hiezaka hanatsara,
Mba ny isa tena izy sy ho azontsika hekena,
No hanasongadinako izay ho filoham-pirenena .
Tsy hisy kolikoly tsy hasiako tondromaso,
Ny fitsarako dia hahitsy tsy mila andrasoandraso,
Fa rehefa feno ny fotoana de hovoaka ho ren-tany,
Izay tena ho filoha ka misongadina amin'izany .
Rehefa efa izany dia indro aho am-pandriana,
Andefa indray ty ventso avela ho sondrina,
Fa vita tapany ny adidiko mifarana ny adiko,
ka ny asa, ara-maso sisa hiandrasana ny angadiko .
R.J.O. (16 dec 01 - 03 dec 06)
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
2223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 04/12/2006 10:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106