Vetson\'ny mama... (randria)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
velo-maty taha-bolana iny fahatsiarovana iny...
ny andro nahariana anao nandalo tahaka reo fahiny,
ary toy ny an\'ny rehetra moa vetsoina sisa ankehitriny,
ny seho zay dinitry ny lasa mba tsy hifanomezan-tsiny.

tsaroaka ery izany fiainako fony ianao vao notoronina,
toy ny nofinofy ihany zahay sy dada niara-nonina,
tambitamby teny mamy tratrevan-tsafon'olom-bonina,
sambinaiko, dada, neny rehefa injay ka nifanonona...

nosain-tsy hanam-paharitana izany fahafenoana izany,
lavi-teny fe lehilahy fa nisy fifampierana hatrany,
ka n'inona n'inona adi-lahy nanjary zava-poana ihany,
kay niriaria ry Mahaka fa any an-kady no niafarany...

ampolon-taona lasa izany izao lehibe ianao ka tsy hafenina,
fa nisy teto fahasambarana raha tokan-trano no tenenina,
k'izao tsingerin-taona izao ndeha ho ezahana ho arenina
omena aina ny efa nisy ho soan'ny ho avy mitsingerina...

ny hatrizay toa nandeha mora mety zaza ianao ka vitan-tsafo,
na teny mamy monja ihany na kilalao na koa sakafo,
saingy niova izany ankehitriny nanjary ireo filana lafo,
sy haingitraingitra tanora tsy te hahalala ny ara-kafo...

tsiaro ho anao fa kitro ho anay ty dindon'ny fiainantsika mianakavy,
dia ty fetinao manjary findra ho soan'ny andro zay ho avy
araka izany tsisy jaly sitrapo na hirifiry ho mosavy,
f'ireny baiko-tsain'ny fo voasarik'ireo mena be miraviravy..

sanatria tsy adala ny efa konka raha niredy fahamafisana
ary tsy nisaina anao ho badro na hoe tsy azo hitokisana,
fa ny hendry foana sombinaiko no matetika kikisana,
mivadi-belirano hatrany ny tamban-jotra nitarisana...

nefa iza moa no omena fondro zovy no hizaka tsiny ?
na ny anay na ny rehetra samy tsisy toha izay niriany,
ny siasia no mafy onja toa manan-kery manan-jiny,
ka tsy hafa-niery teo ny velona... zay mpidio ho mpivahiny...

ary ny heloka tsy tra-datsa ireo no ndeha hiarahana manarina,
haipoka any amparam-piheveran'ny haizim-ben'ny efa farina,
dia hiova soratra ny ety hamiratra ianao nozarina,
hanilo ny ho avy matri-doko sy hampitraka zay nivarina...

k'alao an-tsaina sombinaiko raha misy ny eritreri-dravina,
tanora ianao ka de hitempo mety ho tia ary de ho tiavina,
ka ny singo-drevaky ny tany mafy savika tsy lavina,
mandrapaha-tola anao hiosona ho faikan'olona hatsiravina...

tsy ferin'aina na moraly sanatria serana aloka anaka no hizorana,
dia ngononina ho fanoitra ireo noho ny singotra hifatorana,
mba ho tovon-trainkefa marina ny tohan-jotram-pamatorana,
ka lay ngidim-pahantrana niatra zary tsiky lefan-kasosorana....

ny voninahitray mpihay mantsy raha ianareo no mba tafita,
nisonga tamim-pahendrena nilofo mafy hiara-mita,
tao anaty lazon'adin'ny dridrin-kiry te hahavita,
ary nahavaly anay babena fa namelo-maso ny tsy hita...

sombinaiko tsita tsony zay ambara be ireo ka mandehana,
ny fahamasinana tandrovina ny soa toavina aza hialana,
reo ny teny roa tsy afa-misaraka ka ataovy indray mitana,
mantsy na ny angely aza tsy miady hono raha sanatria tokam-pilana...
R.J.O.
--------
Rohy:
2542 2
Hevitra mandeha
vetsoko ( 30/07/2005 16:38)
misaotra an'i jari mahatsiaro ny nahitana masoandro,zava-dehibe izany,aza miova fa tena sarobidy i neny...tena sarobidy.
tia2005 ( 02/08/2005 15:20)
tsara ! mahay ny mpanoratra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : randria
Nampiditra : jari
Daty : 29/07/2005 18:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112