'mbetika (Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'mbetika izy dia 'ndre falifaly,
rehefa mahatsiaro mahazo ny zony.
Afaka mantsy ny gadrany omaly,
gadra nahazo ny sainy sy fony.

'mbetika izy dia 'ndre miramirana;
rehefa mahatsiaro ho manana adidy.
Lavony foana izay manahirana,
hainy hatelina izay mba mangidy.

'mbetika kosa izy no mitoreho;
rehefa 'njay tsaroan'ny sainy.
Irin'ny fony hoe mba haseho,
ilay fitiavana izay nohirainy.
--------
Rohy:
1460 2
Hevitra mandeha
zakilinina ( 09/12/2004 13:31)
Omeko isa 5 izy ity ho fampaherezana, satria mahamora ny famakiana ny tononkalo ireo gadona sy rima nampiasaina. Ny votoatin-kevitra koa dia mazava.
Indro kely :
- mitoreo angamba fa tsy mitoreho.
vetsoko ( 10/12/2004 19:11)
Ny fiainana mihintsy ry se no ohatr'izay a!mbetika maloka,mbetika mihiratra,misotra an'ise namoakan'izany zava-misy izany ho kanto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Nampiditra : andrys
Daty : 08/12/2004 07:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096