Namana - Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Azo vakiana?
Ry namana tiana sy tena sakaiza,
ny lalanao iny moa mba ho aiza?
Hamakivaky 'ty fiainana an-tany,
hitady hafaliana sy soa tsy ho lany.
Ry namana tiana sy tsy mba manary,
ny isanao iny moa mba firy ary?
Tokana ihanynefa tsy azo lavina,
fa saro-karohina sy saro-tadiavina.
Ry namana tiana sy tsy mba manody,
Ahoana ny fomba f'izaho te ho tody?
Ny fandeferana re no ho vatsy,
Mba hamaliana soa 'reo izay ratsy.
Ry tanora maro izay tia fanandramana,
ataovy maro dia maro ny namana.
maro kanefa tandremo sao diso
Fa IRAY IHANY NO TENA ITOKISO..
Hevitra mandeha
vetsoko (10/12/2004 19:14:39)
marina izany ry sea!misaotra an'ise tà ilay tononkalo fa nahakasika ahy tanteraka ilay izy satria ny tenako aty an-tany lavitra dia mahatsiaro ireo namako any dago indrindra fa ilay iray tena atokisako araka ny tenin'ise
Anisany ny mahatonga ahy hivetso izany rehetra izany
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Nampiditra : andrysDaty : 10/12/2004
Mpamangy : 1085
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
'mbetikaRaha......
Indrisy
Ny atao
Tsy ratsy izy akory