NY AINA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY AINA

Ny aina?
Aloka aman-javona,
Mihelina dia lasa;
Setroka aman-drahona,
Tsy ela dia misava.
***

Ny aina?
Ravinkazo raraka,
Ka tsy haniry indray;
Tsy misaratsaraka,
Fa tokana, iray.
***

Ny aina?
Raha lasa tsy miverina,
Raha very tsy hita intsony;
Indray mandeha mihelina,
Tsy hiverina hamony.
***

Ny aina?
Tsy mba landihazo,
Ka hibontsina andro atoandro;
Fa tsy ela dia malazo,
Tsy andagin'ny mpanandro!
***

Ny aina?
Tsy mba ananam-piry,
Tsy fanta-pahataperana;
Tsy hiverina haniry,
Fa indray mandeha miserana.
*****

Rehefa mbý fotoana,
Ka mipaika ny ora;
Dia tsy maintsy hisaona,
Ka hitsaitsaika mora.
Fa indramina ny aina,
Ka isa-minitra miomana;
Fa tsy maintsy hoefaina,
Ny trosam-pahavelomana.

Ka asanao ry "tany",
Malain-kifankatia;
Fa ny FITIA irery ihany,
No haharitra ho doria.


JJRandria. 13/12/2017

--------
Rohy:
Sokajy : aina - fiainana
828 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : randriajj
Daty : 05/04/2020 10:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105