NY FITIAVANTSIKA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitiavantsika

Fotoana fohy fa sarobidy,
Nitondra fitahian-tsoa,
Nanova ho mamy ny nangidy,
Ny fihaonantsika roa.

Fa fo mivady no tafaraka,
Tia sy tiana tafaray;
Ka fitia tsy mety raraka
No hampiray mandrakizay

Lavo teo ny sorisory,
Nisinda koa ny fijaliana;
Vita ny andro nahaory
Fa tonga izao ny fifaliana.

Resy lahatra aho anio
Fa anjara nomena ahy ianao,
Am-pitiavana madio
Tsy mety ho lefy, tsy hankalao.

Ireo lasa ratsy izay nandalo,
Avalontsika ho tantara;
Ka hosoloina sy hatakalo,
Tsiky vao sy fiainan-tsara.

Ireo ady sarotra niserana,
Nisedra ny fitiavantsika;
Hakana lesona hitandremana,
Ho amin’ny hoavy mibaliaka.

'Reo sotasotan'ny tsy tia,
Efa nihoarantsika lavitra;
Fa tsy naharesy ilay fitia,
Ka isaorantsika ny ao an-danitra.

Eto anatrehan’ny Tsitoha
No anaovantsika roa ny voady,
Izy hitso-drano, hamafy soa;
Hampandresy amin’ny ady.

Ka na ho mora na ho sarotra,
Dia antenaiko tsy hangatsiaka;
Fa ho mafy sy haharitra,
Ho doria ny dinantsika.

RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques 29/02/2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fifaliana - Fitiavana
1425 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 28/02/2020 23:58
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102