Ny zanako (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny zanako

Vao mifoha olona tsy vaky masoandro
Vao miala am-pandriana fa maneno akoho
Dia indro aho vonona hiatrika ny andro
Saina amam-batana, fanahy sy fo

Hiasa sy hikaroka izay mahasoa
Hamelona ireto menaky ny aiko
Tsy hitsitsy aina, handany rondoha
Hampiasa izay hevitra tratran'ny saiko

****

Fa noho izy ireo ny tanako miepaka
Tsy mikely soroka, miasa tsy miato
Dia mbola noho izy ny vatako reraka
Vonona hatrany misedra ny ankaso

Ny masoko bongon'ny fiareta-tory
Dia mbola ny fitiavako azy ireo ihany
Ny vesan'ny trotro sy baby, tsiangory
Tsy henoko fa arahiko tsiky sy vany

***

'Reo latsa sy eso iaretako hatrany
Tsy ahoako akory ireo tsaho amam-posa
Fa zakako ireny, tsy arahin-tomany
Ny diako no atrehiko, ho tsara sy hisosa

Fa 'reo ny ahy ny harenako mamiko indrindra
Ny hahasambatra azy no iriko eto an-tany
'Reo ny ahy ny lova, tsy amidy, tsy afindra
'Reo 'lay tsy foiko, mamy anie izany e!

RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques (29/12/17)
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/randrianarimanana-jean-jacques/ny-zanako
542 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 29/02/2020 00:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.8342