RAZANDRY! (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAZANDRY!
1. Jesoa: Nahoana ianao razandry no dia mibahan-dalana?
Tampotampoka eo, milaza fa tsy tia;
Toa tafandry mandry eo an-tsasa-dalana.
Mifohaza teo, tohizonao ny dia!

‘Zandry: Izaho anie Razoky, mba te hikasa ihany
Hanao izay sitrakao, handroso hatrany hatrany;
Fa mampanary toky ny sompatry ny tany
Ka izay rehetra atao, toa mahakivy ahy ihany.

Nefa noho ny baikonao,
Dia hitsangana aho izao.
Tsy ijanona eto aho izany,
Fa hanohy hatrany hatrany.

2. Jesoa: Nahoana ianao razandry no milalao an-dalana?
Toa variandriana izany, manjehy ny andro ho lava.
Izaho ‘ty sasa-miandry, ka raiso re ny lalana
Fandrao ho tara ihany, ka ny efa indray no ho rava.

‘Zandry: Izaho anie Razoky, mba te hiady mafy
Ny hifikitra aminao,ka hamehy ny filàna
Fa ity nofo osa, no tsy manaiky hiafy
Ka mora voarahoraho, tsy mety voatana.

Nefa noho ny antsonao,
Dia hiezaka aho izao.
Tsy ijanona eto aho izany,
Fa hanohy hatrany hatrany.

3. Jesoa: Nahoana ianao razandry no mitady hiverin-dalana
Toa mora kivy izany, sy misalasala
Ianao anie no andry, ka aza mialangalana
Fa raha ny eto an-tany, ny sakana tsy miala

‘Zandry: Izaho anie Jesoa, mba te hanohy hatrany
F’indraindray variana, mijery ireo namana
Toa ampoky ny soa sy sambatra aok’izany
Ka alaim-panahy mangina: “Sao mba diso lalana”?

Nefa fantatro izao,
Fa Ianao nifidy ahy.
Ka tsy hisy haharombaka ahy
Eo am-pelatananao

RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques (2011)
--------
Rohy:
1281 6
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 29/02/2020 07:25
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103