hevoka (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hevoka ny fofom-batanao

Ilay hanitry ny vatanao tsaroako
No tiako mba hevohana
Na ho minitra vitsy monja.

Tsy mila hanim-be mafonja
Na zavatra ho sotroiko
Fa ilay fofonao no ho fohana.

Tsy ilaina koa ranoana
Indrindra na hoe dorana
Mba hahazoana ny entona.

Angamba koa tsisy olana
Raha ianao tsy misy pentina.
Ka etsy itsy izy mivonoana!

Fa hiezaka aho hanararoatra
Eto amorom-parafara,
'Ty tsingerim-pahatsiarovana.

MIHITSY AHO MILA MIHEVOKA !
NEFA MATAHOTRA HO TOROVANA !

Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
820 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1372