Ran'ny Mpitolona Androan (Rangotra Voavitrana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ran'ny Mpitolona

Androany alaivo sary an-tsaina
Hoe itsangana ireo mpitolona
Ka ny vahoaka ikikika itaraina
Ahita faty amindra toy ny olona.

Avy hatrany aloha dia itetitety
Ny tokatrano izay tadrifiny avy
Ka isasa, isolo ankanjo vetivety
Mialoha ny ady sarotra ho avy.

Vita izay dia indro mivokovoko
Mamonjy izany lapam-pirenena
Zary mahasahisahy sy mifokofoko
Satria mirongo Antsy lava lela.

Dia opa, teny ratsy no afafiny
Amin'ny velona eny an-dalana
Ho setrin'ny herim-po izay laniny
Teo am-piadiana ny fahafahana.

Ampijalijaliany, analany ny ati-fo
Ampisehoany ireo karazana adalàna
Ka dia dorany, ho may kila avokoa
Rehefa ho mpitondra fanjakana.

Voamaika romotra, tsy mety mihonona
Ny sasany aza midradradradra mafy
"Toa very maina ny ranay mpitolona,
Ka rariny izahay raha itrohatra sy igafy!"

Simba Gasikara, raha fehezina sy tsorina
Nefa ran'olombelona no natao sorona
Nisalorana ny voninahim-pirenena
Ary nitadiavana ny fahaleovan-tena.

Rangotra
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
856 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144