Ririnina - Ranoala
Azo vakiana?
oram-panala vao maraina
no mitsena andro ririnina
mitady ho kivy koa ny saina
Tsy hahita ho mbanjinina
Tanety lava, misy hisainana
dia namorona ny anao
asa angaha na fahalainana
na mba hevi-baovao
Andeha anao fety
ndao antsoina hoe Sambatra
izay mihintsy re no mety
ka ny foatra no asandratra
Angalao rano mamanala
hotsofin-drano 'lay mahery
nahatanty 'zay niala
hahazaka ny fery
Itondrao akondro
dia antsoy i dadabe
tsy ho tsiny na ho fondro
fa manaja lehibe
Doboy re ny amponga
hofahofao re ny fary
araho dihy mba hanonja
tsy ahaheno maharary
Aolahy re no hika
ataovy mafy sy maredona
venteso mafy ny mozika
mba 'lay kely hiedonedona
11/07/2006
Hevitra mandeha
zoky (12/07/2006 10:14:46)
Mombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 12/07/2006
Mpamangy : 1000
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
niova ny tontolodia gaga ialahy
Izy ihany
Iza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira