Tia azy aho - Ranoala
Azo vakiana?
isan' andro aho mitazana
azy eto ambaravarakely
dia manonofy anay miaraka
ireto masoko mijery
arabaiko ihany...indraindray
nefa zara fa mamaly
ny ato anatiko mahamay
tiako ho fantany hoe mijaly
raha tsy mamaly... na dia tsiky monja aza
Toa tsy fantany aza angamba
hoe ato anatiko ny fitia
na ny mombamomba izany
sa mbola zaza ihany indry?
im-piry aho moa ny alina
no manofy miantsoantso
ny mba ho eny aminy
hahazo oroka sy safo
hitsiko tsotra izao
rehefa ho avy eo izy e!
'zay ao anatiko ao rehetra
harotsako daholo mba ho fantany avy hatrany
fa tia azy aho
fitia tena mamy!
07/12/2004
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Ranoala
Nampiditra : rahonalaDaty : 08/12/2004
Mpamangy : 1672
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izy ihanyIza
Rabehevitra
Any ho any ...
Hanao ahoana?
Omeko anao
Nankaiza ...
raki-kira
Ry hoavy
Fitia