You are here: home > Vetso

Amboaran-tononkaloko - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_hanoratsoratra eto
Hiventsoventso eto
Hirediredy eto
Hikalokalo aho
2_milalao an-tsoratra irery
Mpirediredy an-tsoratra
Mpamadibadika abidy
Mahalany izato penina
3_ ny fitiavako manoratra
Ny amboaran-tononkaloko
Fitiavako milaza
Ny fitia izay efa ananako
4_ny asa soratra rehetra
Tsy voatery misy mpitia
Kanefa soratako hatrany
Tsy an-kafa io fa ahy

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha