You are here: home > Vetso

Embona - a.j.ulrich

Azo vakiana?

Embona
_raha misy ny tsiambaratelo
Ianao no tsiambararoako
Raha misy ny fahakiviko
Any aminao foana ny saiko
_lavitra ahy ianao
Ka toa tsy olombelona aho
Fa raha eo anilako ianao
Dia toa fahasambarako
_mahatsiaro anao aho ankehitriny
Mahatsiaro ireny lasantsika ireny
Kanefa tsy eo akaikinao aho
Ka toa mankarary ilay foko
_ianao no mba ifaliako
Ilay andrin'ny foko
Tsy mba foiko
Fa eto amiko
_Raha misy ny tsiky, misy ny hafaliana
Raha misy ny fitia, misy ny olon-tiana
raha misy ny voalohany, misy ny farany
Ary raha misy ny olon-tiana, ianao irery ihany
_ sady voalohany ianao no farany
Tsy atakaloko olon-kafa mihintsy
Ianao no nofinidiko indray andro izay
Ankehitriny mandra-maty

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha