You are here: home > Vetso

Fa iza izaho - a.j.ulrich

Azo vakiana?

Fa iza izaho
Moa olona sa biby sa zavatra ?
Moa adala aho sa hendry ?
Mahay mitia sa mahay manary?
Inona no ataoko eto
Ny mifaly sa ny mitezitra
Fa inona no ataoko eto
Moa va miaina fotsiny
Fitia va no ahatongavako eto
Sa mbola ady sy hatezerana
Fa inona marina no ataoko eto ?
Ny tsara sa ny ratsy
Ny manasoa sa ny mandatsa
Ny manampy sa ny manary
Ny marina sa ny diso
Ny fahendrena sa ny fahaditrana
Ny fahaizana sa ny fahakamoana
Ny paradisa sa ny afobe
Fa iza mraina izaho
Mpanasoa sa ny mpanaratsy
Mpitia sa mpanary
Manangona sa mahafoy
Ny miaraka amin'Andriamanitra
Sa any amin'ny afobe
Iza izaho ?

Hametraka hevitra

Midira aloha