You are here: home > Vetso

Fitia va izao - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_ tsy nampoiziko, tena tsy nampoiziko
Fa hay aho tsy misy mpitia
mpanararaotra sy mpanozona ahy no hitako
Ka hany marary aok'izany tsy mahatana
2_fitia va izao ataonareo izao
Sa fanararaotana ahy ho malemy
Nolazainareo fa adala aho
Ka noararaotina toy izany
3_ny latsalatsa fihomezana
No hany mbetika ato am-poko
Toy ny biby fa tsy olona
No nandraisanareo ahy
4_tsy nampoiziko, eny tsy nampoiziko
Ho toy izao izato izaho
Hambakain'ny tontolo
Ny fisiako eto izao
5_ te hiova aho
Tsy tafiova
Mitady fitia
Toa zarizary loatra

Sokajy : fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha