You are here: home > Vetso

Ilay nenina - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_ ireny lasa ireny
Mitahiry fahatsiarovana
Izay tsy maty ato am-poko
Fa mitambatra loatra re
2_ ireny latsalatsa ireny
Tsy mba tao an-tsaiko akory
Fa hany voateniteny
Ka hany nenina toa tsiny
3_ireny tsiny rehetra ireny
No indro zakaiko
ireny latsalatsa ireny
No indro niverina ato amiko
4_tsy tafandry na andro na alina
Mahatsiaro irony lasa
Ireny tsiny manozona ahy
No hany nenina ankehitriny
5_ fa nahoana loatra re
No manao izany ianao ry foko
Nametraka latsalatsa
Ka nanome tsiny ?
6_ sarotra ny manala tsiny
Raha atsipy toa mahabe tanana
Raha dakana toa mahabe tongotra ihany
Eny fa na tsofina aza toa mahabe molotra
7_ sarotra ny manala azy
Fa fihavanana re no ilaiko
Mba tsy hitranngan'izany intsony
Ka ialan'ilay neniko

Hametraka hevitra

Midira aloha