You are here: home > Vetso

Kabarintsika Malagasy - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_ kabarintsika Malagasy
Tsy mba kabaribary foana
Fa amintsika Malagasy
Dia kabarin-kasina
2_ ny voha- varavarana
Izay sasin-teny fanombohana
Dia avy eo ny alafady sy fialan-tsiny
Mba tsy hananan-tsiny
3_ny hasina ho an'Andriamanitra
Asandratra any amin'ny ho avy
Ary fiarahabana kosa
Ho antsika rehetra
4_rehefa vita ireo
Dia atao kabarin-jatovo
Tsy halavaina
Fa mahamolamolaina
5_ kabarintsika Malagasy
Kabary mitondra hafatra
Ho an'ny Malagasy
Eraky gasikara
6_rehefa vita ilay ranjan-kabary
Dia tsy maintsy faranana ny teny
Ka  fisaorana ombam-pirarian-tsoa
No indro hamaranalo azy
7_tiako ny tenin-drazako
Hajaiko sy andrianiko
Sotoaviko sy feheziko
Satria Malagasy aho

Hametraka hevitra

Midira aloha