You are here: home > Vetso

Nofy - a.j.ulrich

Azo vakiana?

_nofy va ireny hitako ireny
Nofy va no nahitako azy iny
Fa hatrany am-poko any
Mitahiry fatratra azy
_vao nahatazana azy iny aho
Dia toa lasa embona foana
Tsy mety miala ao an-tsaiko
Ilay endriny sy ny hatsarany
_toa nanonofy azy aho
Embonembona fatratra
Milantolanto fitia irery
Toa teo akaikinao
_nofinofy ihany ireny
Sentosentom-pitia iny
Toa mahatsiaro irery
Kanefa tsy tanteraka ireny
_raha mba teo mantsy ianao
Namelombelona ilay fitia
Mampifoha ilay foko
Ka hitondra hasambarana

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha