You are here: home > Vetso

Ny faharetako - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_ efa ela ihany aho
No te hamboraka ny ato am-poko
Kanefa nisy zava-mahagaga
Dia ilay faharetako hatrizay
2_ efa ho herintaona izay
No niaretako izany
Kanefa vao niresaka isika
Dia voateniko ihany ilay izy
3_ vao noteneniko ilay izy
Dia nahare valiny mahafam-po ery
Kanefa taty aoriana
Hay fitaka ihany ireny
4_dia naharary ilay foko
Tsy hitako izay asiako ny tenako
Kanefa nino ihany aho
Fa tsy maintsy mbola ho fantatrao aho
5_marina toloa fa mbola tsy niaraka
Kanefa mbola tsy tonga ilay fotoana
Nandrasako hatry ny ela
Hiarahantsika roa
6_io fotoana io
Dia efa nandrasako hatry ny ela
Mba hahafahako milaza aminao
Fa tena tia anao aho
7_marina tokoa
Fa rehefa tsy miaraka
Tsy midika  fitiavana
Kanefa ny fitia
tsy azo terena
8_anao aho ka mora
Fa raha an'olona aho dia sarotra
Zavarin'ny fitia manatombo ka
In-telo no miarahaba
9_tsy izaho aho vao te hiaraka aminao
Na Hirediredy fitia
Fa hoy indrindra ny ohabolana
" mody tia koa lefaka"
10_ efa niezaka ny tsy ho tia anao aho
Ary efa nanandrana ihany
Kanefa tena sarotra amiko
Ka izao no teniko farany
11_efa tsisy azo atao
Izaho efa tia anao
Tsy azoko averina indray
Ho tsy tia anao intsony

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha