You are here: home > Vetso

Serasera Malagasy (serasera.org) - a.j.ulrich

Azo vakiana?

_ Malagasy ny taniko
Malagasy ny fihaviako
Malagasy ny rako
Madagasikara no fonenako
_ ry taniko Malalako
Izay harena miafinako
Manana talenta maro
Nampitombo ny hasinao
_serasera Malagasy
Tsy mba serasera hafa
Fa antsika Malagasy
Hifaneraserantsika
_ ao ny tononkira
Izay revin'ny artista
Tsy nahasakana antsika
Fa vao maika aza nampihira
_ ao ny baiboly sy ny fihirana
Hovakiana isan'andro
Mahaliana ery
Indrindra fa ho antsika katoliaka
_ fandalinam-pinoana, hafatry ny papa
Izany no hita ao
_ ao koa ny blaogy
Na".com" na ".org"
Samy ho antsika daholo
Hanoratana ny tsy haritra
_ ao koa ny karajia
Hiresahana mivantana
Hifandraisantsika Malagasy
Na eto an-toerana na any ivelany
_ tsy adino koa leroa
Ireo revin'ny samy manina
Dia ny tononkalo ranoray
Sy tantara mampiray
_ mba misy koa ny lalao
Lalaontsika sy ny any ivelany
Hafatra miafina sy ny teny mahasoa
Ary koa ny hevitr'ilay anaranao
_afaka ataontsika koa
Ny mamorona an'ilay vondrona
Samy manana ny azy
Fa samy Malagasy
_ tsy adino koa anefa
Ny bizna kely madinidinika
Hivarotana ny entana
Sy hifandraisana ho an'izay liana
_mbola misy hafa ao
Mbola mosy tsy tadidiko
Mbola misy tolotra hafa
Avy amin'ny serasera
_ "serasera.org"
Takelantsika Malagasy
Hifampizarana ny mangidy sy mamy
Mba hanandratana ny maha-Malagasy

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha