You are here: home > Vetso

Tena fitia - a.j.ulrich

Azo vakiana?

1_ nilaza tamiko ianao
Fa tena tia tokoa
Kanefa vao roa volana izay ianao
Dia mitady porofom-pitia
2_sahiko ny milaza aminao
Ny tena ato am-poko
Fa fitia tsy misy fitaka
Sady manam-pahatokisana
3_ fa raha hoe firaisana
Tsy hanao izany aho satria
Izaho mbola mpianatra
Hendry sy manam-paharetana
4_ vao 2 volana monja ve?
Dia izany no ao an-tsainao
Tsy nampoiziko ho toy zany ianao malala
Ilay silaky ny fanahiko hatrizay
5_fa izao no lazaiko anao
Mba manana faharetana ihany
Fa raha ny zavatra ilainao
Rehefa mivady dia azonao ihany
6_ izaho efa babonao tanteraka
Ary mahafoy ny aiko ho anao
Tsy mba mpilalao fitiavana
Fa rehefa tiako dia tena tiako
7_tiako hatramin'ny farany ianao
Ry ilay tsy foiko
Ka ireo teny rehetra ireo
No hany porofom-pitiavako

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha