Andao ho tonga saina (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na hampitanjahana aza irony tendrombohitrao,
Na doroina ho mainty koa ary tsy ho maitso intsony,
Na kapaina sy fongorina ireo ala miaro anao,
Ka potehina avokoa, ireo haingonao tsy hamony
Dia tanindrazako ianao

Eny, na dia tany mihotsaka sy renirano maina kina,
Eny na dia “lavaka” aza, no sarisary mba nasolo
‘ty tany zary tanin’ady, nilaozan’aina sy mangina.
Fa very mantsy ireo harena, sy hatsaran’ny tontolo
Dia Gasikarako ianao

Ny hoavin’ ny taranaka, rahampitso hanao ahoana?
Handova tany maina ve! sa hatsiaka tsy ho laitra
Sa hafanana hafahafa, Sa toeram-babangoana!
Sa orana mikija lava, izay isika vao ho taitra ?
Sao dia tara loatra ianao

Hevero anefa ny taloha, saino ange ireo fahiny,
Fa velom-bolo ny voahary, izay jinery maitso mavana
Irony “Ntaolo” mantsy ve moa mba nanana izay tsiny?
Loko tokana ny azy dia ny kanton’ilay Avana
Koa mivonona izao

Noho izany, hiezaka aho, hitaona antsika mianakavy
Adidiko, adidinao, ndao jereo ny tanindrazana
O! ry Malagasy havana, ndao banjino ny ho avy
Aza ela intsony ianao sao ny tanintsika ho ngazana
O ! ry Malagasy ndao

Antsoina ianao ry ambanilanitra, ry vahoaka manontolo
Miandry anao ny taninao, ary tena manantena
Fa raha Malagasy ianao, ka mivonona hikolo
Tsy ho ela dia ho maitso indray, ilay tarehim-pirenena
Ndeha vonjeo ny Nosinao.

26 Mai 2002
--------
Rohy:
2021 2
Hevitra mandeha
pissoa ( 21/12/2005 16:47)
Tena tsara no tiako be ity tononkalonao ity.

Mazotoa e - Pissoa
gasyjean ( 12/01/2006 18:15)
Tsara eeeeeeee, fitiavana ilay gasikara mila ny tsirairay ny nosintsika.Tohizo ny asa-soratra.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0263