ANDRON'NY MPIFANKATIA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDRON’NY MPIFANKATIA

Tsy hoe andron’ny mpifankatia,
akory androany dia nanoratra
Tsy hoe andro hafakely anio,
ka niezaka aho hanoratsoratra
Fa tena ny foko manontolo,
no manosika ahy indray,
Handrangotra, sy hamela teny,
ho Fitia mandrakizay

Ka hamboraka aho androany,
tsy ilay “tiako ianao” anaty boky,
Na ilay “tiako ianao” rehefa hangataka,
na ilay “tiako ianao” lasa boloky
Na ilay “tiako ianao” be kajikajy,
na ilay “tiako ianao” teny fifonana
Na ilay “tiako ianao” fisangy adala,
na ilay “tiako ianao” zary fiombonana

Fa ilay “Tiako Ianao” avy ao am-po,
ilay “Tiako Ianao” avy ao anaty,
Ilay “Tiako ianao” am-po madio,
Ilay “Tiako Ianao “ hoe mandra-maty,
Ilay “Tiako Ianao” vonon-kanaja,
ilay “Tiako Ianao” tena Fitia
Ilay “Tiako Ianao” antsika roa,
ilay “Tiako Ianao” tena Doria

Ka raha ao anaty diary ianao,
mahita indray izao daty izao
Dia tsarovy fa fotoana,
ninian’ny olona natao
Raha ny datin’andro androany,
hoe andron’ny mpifankatia
Tsingeringerina ihany,
hoe aza adino ny Fitia

Fa ny tena marina ao anatiko,
dia tsy ny daty na ny andro
Fa ny fotoana sisa iainako,
sy ireo kely tombon’andro
No atokako ho anao,
ho porofon’ny Fitiavako
Ka ho teny tena mamy izany,
TIAKO IANAO lazain’ny vavako
--------
Rohy:
3333 1
Hevitra mandeha
pissoa ( 14/02/2006 15:29)
Fitiava izany marina! Hihihi

Hmmmm - Tsara ny tononkalonao an!
fiaritiana ( 14/02/2006 20:23)
andray ry Raozy zany hatsaran ny asa soratra e!mi touché be mihitsy!
tiako bé
katiaa ( 31/01/2007 00:13)
tiako b kou rah mba za misy manome otran n zany
Mitantsotia ( 05/04/2013 13:17)
TIAKO!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0256